| EDITO: N°1 |
|
|
|
Tsy ataotao foana ny asa fandraharahana ara-bola madinika na "microfinance" Mahasarika ny olona ny mandre hoe misy fampindramam-bola tsy misy zana-bola sy tsy angatahana antoka. Ilaharana mihitsy izany, nefa tsy misy fahazoan-dàlana hanao asa fandraharahana ara-bola akory ireo manangona ny latsakemboka fidiranaho mpikambana. Ao koa ireo mampilendalenda ny olona amin’ny “ankandray” na“tontine” ka mamporisika hitady namana fa arakaraky ny mahamaro azy ireo no ahazoana vola be. Izy ireny mantsy mazàna misokatra dia avy eo tsy hita intsony,ka very an-javona ny volan’ny mpikambana. Na ireo tompon’andraikitra tokony hatonina aza tsy fantatra mazava. Marihina fa voararan’ny lalàna ny fanaovana “ankandray” araka ny didim-pitondrana laharana faha-6259/93 tamin’ny 01 desambra 1993. Ho fisorohana izany indrindra no ilàna fahazoan-dalana hanao asa «microfinance».Ny manampahefana manokana manara-maso ny orinasa mpampindram-bolana “Commission de Supervision Bancaire et Financière” (CSBF) no miandraikitra izany,araka ny lalàna laharana faha 95-030 tamin’ny 22 febroary 1996 andininy faha-16 mifehy ny banky sy ny lalàna laharana faha 2005-016 tamin’ny 29 septambra 2005 andininy faha-19 mifehy ny fandraharahana ara-bola madinika. Hatreto aloha ny CSBF dia manamafy fa ny efa nahazo fahazoan-dalana ihany no arahiny maso. Ny olana anefa dia tsy amin’ireo ara-dalàna loatra, fa amin’ireo mbola tsy nahazo alàlana nefa manao asan'ny "microfinance". Na izany aza dia efa nandray ny andraikitra tandrify azy ny eto anivon'ny Tahirim-bolam-panjakana manoloana ireny tsy fanarahan-dàlana ireny. Nanaovana ezaka manokana ny fanapariahana ireny “microfinance” ireny hanakaiky kokoa ny olona izay tsy afaka mifampiraharaha amin’ny banky. Anisan’izany ireo lavitra ny ambanivohitra, ireo tsy ampy fahalalàna hameno ireo antontan-taratasy ilain’ny banky, ireo tsy mindrana afa-tsy vola kely, ireo ao anatin’ny sehatr’asa tsy voafehin-dalànana “informel”, sy ny maro tsy voatanisa. Ny fahatsapana fa ny «microfinance» dia manampy amin’ny ady amin’ny fahantrana no antony nisian’ny tetikasa maromaro iarahan’ny fanjakana sy ireo mpiara-miombona antoka isan-tokony miara-misalahy. Ny firoboroboan’ny «microfinance» no mitaiza ny olona hitahiry sy hamerim-bola. Nefa raha vao zatra fanampiana ny olona dia very ny kolontsaina famerenam-bola. Misy ny tetik’asa sasany mamatsy mivantana ara-bola na ara-pitaovana vondron’olona iray nefa tsy mamaritra mazava ny fomba famerenana azy. Noho izany ilaina ny fiaraha-midinika alohan’ny hametrahana tetikasa fampandrosoana mba tsy hifanipaka na hifamono amin’ny «microfinance». Natao hampiasaina sy hahazoana tombony ny vola indramina. Mba hampahomby ny fampindramam-bola dia ilaina ny fampianarana sy fanentanana ireo mpikambana na mpanjifa amin’ny lafiny fitantanana sy fikirakirana vola. Izay mahay mindrana mantsy mitombo harena. Misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fihodinan’ny «microfinance», ary mety mitarika hatramin’ny fikatonany mihitsy aza ny tsy famerenam-bola na ny tsy fanajana ny fotoam-pamerenam-bola. Tranga izay miseho matetika rehefa mandalo fotoan-tsarotra ny fiainam-pirenena, ny fisian’ny mpikambana na mpanjifa minia tsy mamerina vola satria misy manely tsaho fa tsy tokony haverina intsony izany. Hatramin’ny mpanao politika sasany aza indraindray miditra manelanelana ka mampirisika ny tsy famerenam-bola.Rava mihitsy ny rafitra tratran’izany ary ezaka goavana ny mamerina ny fahatokisan’ny mpandraharaha sy ny mpametra-bola. Tsy azo atao ambanin-javatra ihany koa ny fampianarana ny olona hanao petra-bola mba ahafahana miatrika ny fiainana ao aoriana. Azo antoka ny petra-bola any amin’ny «microfinance» nahazo fahazoan-dalana ary mety hiteraka zana-bola arakaraky ny habetsahany sy ny fotoam-pitahirizana. Tsy andrakandrana fotsiny ny fanaovana «microfinance» fa misy paikady ary anisan’izany ny fanofanana ny tompon’andraikitra isan-tokony haha-matihanina azy. Noho izany, tokony hanadihady tsara ny olona alohan’ny hifampiraharahana amin’ireny «microfinance» ireny.
RAJOELINA Francis Blaise Coordonnateur National de la MicroFinance
|
| Jeudi, 05 Mai 2011 12:24 GMT+3 |











